AINDRAKO NY AINGAM-PANAHY (Poezita)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Indreo tazako hafa loko
Natiora tsy mitovy ny ahy
MiontanĂ  ianao ry foko
Aindraho ny aingam'panahy!

Jereo izato izy,toa tadio
Ipaoka ireo tsiahy!
Kanefa izao no tadidio
Aindrako ny aingam-panahy!

Jereo izato izy,tonga masika
Toa fihavin'ireo fanetralahy!
Fa ny diam'peniko tsy ho entin-driaka!
Aindrako ny aingam-panahy!

Indreo mitady hahazo laka.
Ka iditra ao an-dapa hampiahiahy.
Izaho anefa tsi hanao toe tsy zaka!
Aindrako ny aingam-panahy!

Fa iza ireo?
Ra fivoarana sy nz fanatontolony.
Izaz manao ikam-peo:
ataovy dibo-drano ho lasa ony!

Fa izaho tsy hanara-drenirano!
Vonona ny anohitra rina
Voady izanz fa tsy angano!
Mifoha tsara aho fa tsy varina!

Izaho PĂ´ezita mijanona poeta.
Fanahy,fo,saina,vatana no kianjam-poezia!
Raha manadino ana6 aho maty mangetaheta!
Fa rehefa ianao no To faly mibitaka ery!

Sokitra mainty aho,diam-penin'ny fahiny!
Ny poezia no tena tombondahy!
Ataoko ho fatiantoka ny rehaka ankehitriny!
Aindrako ny aingam-panahy!
--------
Rohy:
527 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Poezita
Nampiditra : Thelo
Daty : 24/03/2020 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098