You are here: home > Vetso

**SIKAM-PITIA** - Poezita

Azo vakiana?

  **SIKAM- PITIA**

Ahy ianao fa tsy azy
Eny tsy avelako rombahiny
Matotra aho tsy mivazivazy
Potehiko izay tombondahiny

Ahy ianao,ahy samy irery
Nef'izy koa tia anao
Izay fitiavany ovaiko fery!
Iady aho fa tsy handao

Tia anao izy.Fa ny fatrany
Ivin-jaza aza mahafaty ny afo!
Fity maramara ny ao ankavian-tratrany
Fa ny ahy fity mitafotafo!

Masika fitia aho,saropiaro!
Mianjaka mierona
Ahy ianao tsy tiko hifangaro
Tsy manambitamby fa mitrerona!

                Poezita

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Poezita


Nampiditra : Thelo
Daty : 06/05/2019
Mpamangy : 368
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

**TENY**
LASITRA
So.Fi
AINDRAKO NY AINGAM-PANAHY
NOFY
TSY SAHY
SOKITRA MAINTY
**ADALA**
LAVO AM-PITIA