**TENY** (Poezita)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
**TENY**


Ilay penina.
Izy no ampita,
ny tsy sahiko tenenina !
Ho to sy vita !

Teny be mpilaza,
efa be mpanao.
F'izaho tsy kalaza !
no tsy mpilalao !

Tsy mifidy loko !
mainty , mavo...
na koa hoe:foko !
iva , avo...

Teny litera hety !
R'alaoky ny vava.
Manova endri-betivety !
alahelo na hafaliana lalandava.

Teny lalik'ny fo !
Vaika anaty !
Rohy ny natiora roa !
Voady mandra maty !

Efa nokoloiko lalina !
Tefy ambony sy ambany.
Tsy natoriko ny alina !
Fa nandefasako vinany !

Anio:
asiko fasahiana !
Ka tadidio:
ianao n'tiko h'olontiana !!!

Sokafy ny fondry :
ho diary !
Lapan'ity foko ity :
sy kianjan-drihary !

Tiko ndry !!!
Za tsy mahita tenenina...
Fa tsy mpahay haintary !
Soa fa nisy penina !

Poezita
--------
Rohy:
636 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Poezita
Nampiditra : Thelo
Daty : 17/05/2020 05:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112