TSY SAHY (Poezita)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY SAHY

Lazao ahy raha mihaona isika
Tsy hiteny aho fa tsy sahy
Tafio ny fitiavanao aho fa mangatsika!
Fantaro ny ati-poko fa mijaly am-panahy!

Tia aho fa koboniko
Tsy sahy ny hilaza
Am-poko ao no nangoniko
Fity matoy fa tsy an-jaza

Efa ela aho nity antsokosoko!
Fa tsy te aheno ilay hoe : Tsy!
Aza eloina re ny foko!
Tena tia aho fa tsy miatsaravelatsy!

Lazao ahy re ny ao am-ponao
Ampahafataro ahy ny nofinao
Eny ?Tsy?Hiditr'ao na handao
Maniry ny tsara fa tsy loza mitatao!

Poezita:Thélo
--------
Rohy:
980 2
Mpakafy: Thelo - Eliasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Poezita
Nampiditra : Thelo
Daty : 06/05/2019 12:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768