You are here: home > Vetso

LASITRA - Poezita

Azo vakiana?

         LASITRA


Danika migaina,
ando ny maraina,
hay karakaina,
darok'aina !

Orana no ilo,
kotro-midridrangilo,
tsela-mankadilo,
tsindro-tsilo !

Riaka lafi-bolafotsy,
rivo-bodofotsy,
tadihom-boropotsy,
namam-panamotsy !

'Reo no rindrina,
tana-mivimbina,
fiaro tsy hitsingidina,
fehin-tsikina !

Ravak'ambozonana,
valan'ankohonana,
kianja ifanakonana,
sehak'ihodonana !

'Reo no tahom-pibehazana,
ravi-nanahazana,
tontolo iantsampazana;
ilalaovako tenindrazana !

Ambin-dranon'etaheta
,nanaovam-peta,
lasitra koveta;
ahavongan'ahy ho Poeta !

                Poezita

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Poezita


Nampiditra : Thelo
Daty : 17/05/2020
Mpamangy : 47
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

**TENY**
So.Fi
AINDRAKO NY AINGAM-PANAHY
NOFY
TSY SAHY
SOKITRA MAINTY
**SIKAM-PITIA**
**ADALA**
LAVO AM-PITIA