Bitsiky ny fo.... (r.epsilon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Deraiko ialahy ry fo, mba manana finiavana,
Hamantatra ny soa, ny tsara hiantsapazana!
Miezaka manandrana hanakatra ny "mena"
Na hita fa tsy randrana manendrika ny tena!

Melohiko indray, anefa.... toa hita, tsy azo lavina:
Fa : "Fo mirefarefa", mpanao kihevi-dravina!
Vorona eny an-danitra mifaly sy mihira,
Fofonina ho manitra?...kasaina hasiana sira???

Hasehoko an'ialahy ny tena fahendrena???
" Fadio ny sahisahy....aleo manaja tena! "
Nofy mantsy iky, na dia hiraparaka,
'Zay vodi-na sobiky ve no hampidirin-dapa?

Tsarovy tadidio, sao hadinonao tokoa:
Fa ny vatosoa madio, tsy azo atsipy ny kisoa!
Fidio ny manandrify dia ekeo izay antonony....
Ny anjara tsy midify...ka mba mahalalà ny oniny!
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136