Lamaodim-behivavy ! - r.epsilon
Azo vakiana?
Raha izao no mandroso mitohy mitohy,
Hisintona hatraiza 'ty zipony fohy?
Nanarona ranjo taloha elabe,
F'ankehitriny kosa an-tsasaka fe!!!
Dia lamaody tokoa ve no tiana ho voatandro,
Sa efa ny kibo no mila masoandro?
No dia tsy eny an-dalana, tsy eny an-tsena,
manoantra ny akanjo hivarotra tena!!!
Vehivavy tsiriritina indray mantsy hono,
Ny be ato afara sy dongona nono,
Ka zary fitafin'ny liam-pisandratana,
Ireny mifinjy manaraka vatana!!!
Izao anefa tiako hanafatrafarana,
Ry mbola ho reny handimby ny anarana!
Matoa izay maditra zareo lehilahy,
D'isika vehivavy no maka fanahy!!!
R'Ikaky sy Neny ô!,faingàna vonjeo,
Tai-tsoratra akanga ny zanakareo,
K'indrisy nanjary nidiran'angano,
Fa sahy nanary ny akoho taman-trano!!!
Hivelatra hono no anaovan-damaody!
Hay fijangajangana no nihaodihaody!!!
Rankizy, tandremo sao zary mosavy,
'Ty fomba vahiny "lamaodim-behivavy"!!!
r.epsilon
Fianarantsoa, Oktobra 2006
Hevitra mandeha
rhina (14/10/2013 13:14:49)
hoy ny mamako zai rehefa avy teny Analakely izahay indray andro. Tena gaga aho fa tena tsy misy vehivavy manao jupe intsony zani amin'izao fotoana izao. Dia tena antitra sy tsy manaradamaody zani zao no fiheveran'ny olona ahy hoy izy. Nihomehy aho no sady nilaza taminy hoe maro amin'ireny itanao ireny anie no manao lamaody tsy manendrika azy akory é!!! saingy atao ahoana fa andron'ny fahalalahana izao. :)
Mombamomba
Mpanoratra : r.epsilon
Nampiditra : r.epsilonDaty : 13/10/2013
Mpamangy : 1430
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Natao ho an'iza moa ianao???Aleoko….
Aiza moa no tsy……
Ilay mpandalo maizimbolana!!!
I VOLANA
Bitsiky ny fo....
izaho ve?
Izay ho vadiko!!!
Vavaka
Bandy mafy ady!