Aiza moa no tsy…… - r.epsilon
Azo vakiana?
Zipo tery efa manify
Mbola he ny doladolany!
Izy efa mitampify……
Aiza moa no tsy haolany!!!
Kibonao malandilandy
Aderadera mba ho hitany!
Izy anefa mbola bandy…..
Aiza moa no tsy ho vitany!!!
Lobaka efa tsy ampy bokotra!
Hampiseho ny aronono!
Izy efa misomokotra…..
Aiza moa no tsy ho voajono!!!
Biby efa tsara sitrika!
Hanakombona ny vavany!
Mbola arahin-kitikitika
Hitsamboatra tao an-davany???
Tsy ny mamba ange ry kala,
No masiaka sy angano!
Fa ny ombinao no adala,
Tia misangy morondrano!!!
Diso izy tsy azo lavina!
Resin-jejo voasodokany!!
Fa ny anao no notadiavina:
Dia zakao ny tena vokany!!!
r.epsilon
Fianarantsoa Janoary 2014.
Hevitra mandeha
hery (20/02/2014 15:36:50)
Mombamomba
Mpanoratra : r.epsilon
Nampiditra : r.epsilonDaty : 20/02/2014
Mpamangy : 1160
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Natao ho an'iza moa ianao???Aleoko….
Ilay mpandalo maizimbolana!!!
I VOLANA
Bitsiky ny fo....
izaho ve?
Izay ho vadiko!!!
Vavaka
Lamaodim-behivavy !
Bandy mafy ady!