I VOLANA (r.epsilon)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa nankaiza I Volana ry tsinam-pahavaratra?
No raho-mainty lava no mosarena taratra?
Tsy maina akory ve ny ravina nihinanana,
Dia indro ianao nidify nikopakopa-tanana?

Mangirifiry ihany ‘lay embona voakaikitra!
Kanefa moa adala, tsipolotra niraikitra,
Nihirahira foana ho an’olona nandalo,
Kinanjo nidifiany rehefa lany kalo !!!

‘Lay vazoko omaly navadiky ny rasa !!!
Hadinony sahady, ririnina efa lasa!!!
‘Lay bitsiko mangina natohoko eo an-tsofiny,
Angamba noheveriny ho angolangola nofiny!!!

Soavadia ry Volana, nanaitra ahy natory!!!
Ahy ny fahadisoana!!! Tsy tsininao akory!!!
Ho avy ny andro iray izay mbola hikambanana!!!
Rehefa ianao baliaka“ Diavolam-penomanana”!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1311 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202