You are here: home > Vetso

I VOLANA - r.epsilon

Fa nankaiza I Volana ry tsinam-pahavaratra?
No raho-mainty  lava no  mosarena   taratra?
Tsy maina akory ve ny ravina nihinanana,
Dia indro ianao nidify nikopakopa-tanana?

Mangirifiry ihany ‘lay embona  voakaikitra!
Kanefa  moa  adala, tsipolotra  niraikitra,
Nihirahira foana  ho an’olona nandalo,
Kinanjo nidifiany rehefa  lany  kalo !!!

‘Lay  vazoko  omaly navadiky  ny  rasa !!!
Hadinony  sahady, ririnina efa lasa!!!
‘Lay bitsiko mangina natohoko eo an-tsofiny,
Angamba noheveriny ho angolangola  nofiny!!!

Soavadia ry Volana, nanaitra ahy natory!!!
Ahy  ny  fahadisoana!!! Tsy tsininao akory!!!
Ho  avy ny andro iray izay mbola hikambanana!!!
Rehefa  ianao  baliaka“ Diavolam-penomanana”!!!

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha