You are here: home > Vetso

Oay taitra be 'zaho!!!??? - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

Oay TAITRA BE ‘ZAHO

Oay taitra be ‘zaho
Fa hay ianao ihany
Ity alohako ity
Noheveriko ho iza ?

Oadray mahagaga koa
Fa hay ianao mihaingo
Ny akanjo toy itony
Tena mahavariana

Han !!!
Noheverinao ho iza aho?
Mahavariana hoe?
Tsy azoko fa ahoana ?

Izao ary e !
Tsy haiko na mandroroa ny masoko
Fa toa tavoahangy no hitako
Tavoahangy mitsingoloka
Voaladina toa saosisy
Ka mahasadaikadaikatra

Ehe! Avadiho ny pejy
F’ianao ‘ty toa miredy

R.JO (2003)   Andranobevava

Sokajy : fananarana, vazivazy

Hametraka hevitra

Midira aloha