JODASY MPAMADIKA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
JODASY MPAMADIKA

Indrisy …

Sahin’ialahy ny namadika ny rahalahy sy anabavy
Ny tapaka sy namana, Ray sy Reny, Zoky, Zandry
Nampisotroina ny tangena, nomosavin’ialahy tambavy
Ialahy ‘lay noheverina ho kiady, hiankinana sy andry

Voafitaka ny maro fa hay ialahy no tena Jodasy
Fositra mpanimba voly, ary tena biby fa tsy olona
Nanapotika tanteraka ny ho avin’ireo Malagasy
Ny anio anie ho vita e! fa mbola ao ny Mpitolona

Ny Zanahary tsy andrin’ialahy, handrasanay eto ihany
Ka mba diniho ihany letsy fa ny vola anie tsy hangidy
Na tapitrohatra aza ny harena, rehefa ela maty ihany
Ka raha samy ho faty ihany tsy aleo ny tsara no finidy

Soa atao letsy levenam-bola, fa ny ratsy vita loza miantona

Malalason (2009)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4738 1
Mpakafy: Malalason
Hevitra mandeha
aahy09 ( 26/07/2009 13:05)
mahafinaritra kah.
carinamihary ( 26/03/2012 06:33)
jodasy marina an!
mimi12 ( 29/06/2012 06:15)
asa mba iza loatra no nampiainga io aimngam-panahy io
fabrice1995 ( 31/08/2012 19:57)
tena tsara
Malalason ( 21/01/2013 16:27)
(mimi12) ny nahatona io aingam-panahy io?
aleo aloha hijanona ho tsiambaratelo
miasaotra antsika rehetra naneho hevitra
mirary soa e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125