NITOHY... (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NITOHY...

Nanonofy anao aho
Tamin’ilay alin’iny
Raha tafaraka isika
Tamin’iny fety iny

Izaho aloha tsy nahalala
Raha nilaza taminao
Fa niteny tsotra ihany
Hitadiavo namana aho

Ianao nitsiky tsy namaly
Fa nibanjina ahy malefaka
Tsapako ho hendratrendratra
Te hitsangana, hipetraka …

Teny kely iray monja « ‘zany ! »
No hany mba voalazanao
Mifono hevitra mafonja « mamy »
Fenoin’izato endrikao

Raha tsy mahita ianao hoy aho
Dia ianao no ataoko solony
Ho silak’ilay fo, fanahy
Hisandratan’ny vololony

Izaho izany tsy mahita
Hoy ianao nivanivany
Ef’ito aho dia samy vita
Ka tandremo sao tsy lany

Taitra aho ka nihiratra
Tapaka ihany koa ilay nofy
Ny masoandro be mamiratra
Nanaitra ahy hamonjy dosy

Rehefa niverina aho
Afaka fotoana fohy
Indro io tokoa ianao
Ilay nofiko nitohy…

Malalason 08/07/13
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2304 1
Hevitra mandeha
Malalason ( 08/07/2013 21:08)
anio @ 00 : 07 alina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0293