ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO
Taloha zaho naniry anao mba hizarako ilay fitia
Tsy nahataitra anao satria ve zaho mbola nahia
Ankehitriny hary elatra aho manana ny ampy
Izay ianao vao taitra namaly ny appel-ko
Indrisy efa liste noir ny numéro anao
Naniry aho tamin’ireny, mba ho raisinao ny antsoko
Sonner libre, messagerie vocal no hany mba namaly
Tamin’ny face book no niresahantsika farany
Dia noblokenao no-supprime-nao ny anarako
Ekeko fa tsy maty am-po ny fitiavako anao
Na izy solonao aza mahalala fa mbola tena tiako ianao
Tsy misy mihitsy fitiavana ka tsy mandratra fo
Fa ny aloky ny tsiaro manarak’eny foana
Mandra-maty enao milanja areti-po
Tsy mifidy ora tsy mametra koa fotoana
Ataoko ahoana moa fa :
ENY AN-TSANDRIN’OLON-KAFA
NO NAHASAMBATRA ILAY TIAKO
MALALASON 03/2021
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Mpakafy:
malalason
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)Nampiditra : malalason
Daty : 26/03/2021 06:33