NY OLO-TIA ADALA (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY OLO-TIA ADALA

Mangina ilay fandriana nilaozantsika roa
F’isika samy lasa namonjy ny adidiny
Isika samy tia kanefa tsy mety afa-po
Nitsahatra tsy voky nisaraka tsy fidiny

Izaho irery sisa tavela ato an-trano
Mamisavisa mora irony lasantsika
Variana mitanisa ny fo manganohano
Mitafy lamba maro fa mbola mangatsiaka

Ny hira no alefako hiritsoka mangina
Entiko hanamaivana ny alahelom-po
Kanefa toa manaikitra ny embon’olon-tiana
Ny toaka efa lany mihoatra bota roa

Nataoko avokoa izay hanariana dia
Nahodiko ny saiko tsy hisaina izany
Mafy tokoa mantsy adala rehefa tia
Fa na mangidy aza dia mamiko ihany

Malalason 15/09/13
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4507 3
Hevitra mandeha
Zozoro ( 02/10/2013 20:22)
Niniha aho ny anadino ny omaly, ny androany
Nataoko ny mety rehetra saingy zava-poana izany
Eo imasoko eo foana, ao an-tsaiko avokoa
Ny amin-tsika rehetra, tsy mety ho iray aho fa mbola roa...
Zozoro ( 02/10/2013 20:22)
Niniha aho ny anadino ny omaly, ny androany
Nataoko ny mety rehetra saingy zava-poana izany
Eo imasoko eo foana, ao an-tsaiko avokoa
Ny amin-tsika rehetra, tsy mety ho iray aho fa mbola roa...
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109