You are here: home > Vetso

Poeta velon-tsento - Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO)

POETA VELON-TSENTO

Mirediredy lava ity poety ity
Raha jerena ny asa-sorany
Nefa mba refeso hoe : hatraiza
Raha  ny lalana nizorany
No notantarainy anao !

Mampahatsiahy ny andro lasa
Notehirizin’ny omaly
Raha nanomboka nitia
Dia nahatsapa fa nijaly
Velon-tsento tsotra izao!

Mbola hisy hizoranao
Ny sombin-dalana nalehany
Namakivaky onjam-piainana
Ary mbola ho hitanao
Ny tian’olona tsy tiana!

Ho tojo anao ‘lay maminao
Kanefa,
Amin’izay fotoana izay
Efa an’olona ny fony
Na dia tiany aza ianao.
Dia aleony miari-pijaliana!

Minia mikipy imasonao
Nefa raha ny tena marina
Tena tia anao ny fony
Saingy dia fitia raraka
Tsy azo raofina intsony!


R.JO (21/07/04)

Sokajy : fanantenana

Hevitra mandeha

bichette (22/07/2004 12:24:41)

mampisento !

lemerde (22/07/2004 13:08:56)

ntsôô dia mbola hanoraty ihany izahay mpakà fy e!

vetsoko (07/12/2004 18:38:35)

par experience je me permet de vous dire mes amis:
AMOUR=EQUILIBRE

Hametraka hevitra

Midira aloha