Raha azonao atao (Rakotomalalason Jean Olivier (R.JO))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA AZONAO ATAO

Raha nieritreritra aho ny zava-nisy teo aloha
Fony isika niaradia, nidoladola toa tsy ho faty
Dia tena nino sy natoky, fa tsy hisy fisarahana

Ny fanadaharana anefa an’Andriamanitra irery
F’izaho sy ianao dia mpisafidy, fa tsy afaka mandidy
Na dia samy tena vonona, ny hiombona fiainana

Ka raha azonao atao, dia tiavo ihany aho
Tiavo toy ny fitiavanao, ny iray tampo aminao
Fa ny lahatra tsy anjara, ny fitia voazarazara


Tso-drano no omeko, atolotro anao
Fiarahana tsy raikitra, tsy maharatsy fihavanana
Ka raha azonao atao, Tiavo ihany aho!!!

R. JO 05/11/04 Ankadifotsy
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1335 6
Hevitra mandeha
bichette ( 05/11/2004 10:11)
azko indramina ve ity tononkalonao ity ? tsy halaiko ho ahy fa indramina fotsiny
Malalason ( 05/11/2004 12:31)
Tsy maninona kah saingy azoko fantarina ve ny antony raha tsy maha diso, na izany aza azonao hindramina foana.
R. JO
bichette ( 05/11/2004 15:19)
tiako be ilay izy dia alefa amin'olona ka ! fa tsy ataoko hoe izaho no hanoratra azy
bichette ( 05/11/2004 15:20)
hajaiko ny mpanoratra
Oully ( 06/11/2004 12:32)
Mifanandrify amin'ny eritreritro mihitsy koa zany ainga izany
nyeja ( 07/11/2004 09:42)
hmmm,miainga foana ny aingam-panahy any ankadifotsy any an, tsara ry namako!, mampieritreritra ity sanganasanao ity.
mampatsiahy ilay tononkaloko hoe :


(...)aza dia ampahoriana
fa valio fitsikiana
dia aoka hitohy ihany koa
ilay fihavanantsika roa.
Ny Eja 2001



Malalason ( 08/11/2004 13:04)
zany an! m'saotra anareo namana e! tsy nanadino.
R. JO
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0163