Malagasy mankany .... (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny, ho'aho Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Izato fihetsiketsikao eh, izato fomba amam-piteny!
Ianao no tena malagasy fa tsy ireny Ntaolo ireny!

Satrinay hitsinjo ihany izato ianao mirehareha:
Borizanom-pandrosoana miedinedina fandeha
Soa, manko, nitanila ilay Rafotsibe nidraiko
Ka nanajanaja hoe: "mandehana, sombinaiko"!

Soa fa niato kely koa Rangahy antitra efa goga,
Ilay nisatroka ahibano sy nitafy lamba soga
Izay nivimbina entan-kely - toa tsy zakany sahady
Ka nihoaranao malaky tsy nanaovana aza fady!

Taitra ihany Ingahibe nahita anao nivatravatra
Ka nitraka moramora, nefa dia namihin-tratra ...
Eny, hoy izy velon-tsento: mafy izany ka tsy toha ...
Saingy ho aiza moa ny tena, izao no gasy tafafoha!

Tafatombina Rangahy, zary lasa kaodikaody:
Iny koa niserana azy, tovovavy be lamaody,
Irony ilay mitetin-doko sy mibory volo irony
Sady tsy mitafy lamba, tsy miteny gasy intsony!

Dia indreny koa nandalo, niara-dia nifampitantana:
Ankizilahy sy ankizivavy, amin'ny tena fisandratana,
Miova tsy mpivady amin'izato fombafombany ...
Kanjo dia tsy izany loatra, raha natao ny tombantombany.

Nantenain'Ingahibe fa mba hanaja ireto zaza
Nefa loza no nataony fa nifampikitika aza,
Dia nifampikimokimo ..., 'ndeha hiserana, handika ...
Ingahibe no niarahaba ireto zana-kavantsika!

Eny, ho'aho, Ramalagasy! Malagasy be fivoarana!
Tsara haingo, tsara vatsy, tsara sampy, tsara anarana!
Tsy hanozona ny Ntaolo n'inona n'inona natao
Saingy MASINA NY SATA IZAY VOAHITSAKITSAKAO.
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina
23957 21
Hevitra mandeha
nikopol ( 30/06/2006 11:49)
efa nianaranay taminy bolakely ty poezy ty ! fa tsy tsaroako hoe hasiniony no nanoratra azy !
hery ( 01/07/2006 08:32)
Efa nahitsy... Ranja Zanamihoatra no mpanoratra. Misaotra an'ilay nilaza tamiko.
hasiniony ( 01/07/2006 09:29)
Ary toa misy mampiditra sanganasan'olona ato amin'ny lisitry ny asa soratro eh?
Aino ( 08/07/2006 11:40)
efa hitako koa ity.
zakilinina ( 15/07/2006 11:54)
Tsara tokoa raha haverimberina eto ireo tononkalo fanta-daza toy itony. Soa fianatra ho an'ny tanora ankehitriny.
dziana ( 09/05/2008 11:37)
miteny ho azy ny tononkalo;mifono hevi-dalina ho an'izay mandinika ny hakanton'ny fehin-teny rehetra;
lehibe ( 30/10/2009 18:10)
fandikana tonokira gasy amin'ny teny français
lehibe ( 30/10/2009 18:10)
fandikana tonokira gasy amin'ny teny français
rijadolly ( 25/06/2010 13:14)
Ontsa tanteraka ny tena...
manantena12 ( 24/07/2010 07:35)
Vao nanaovanay seho sehatra t@ herintaona io, d nilay an!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155