You are here: home > Vetso

Hidy folo - Randja Zanamihoatra

Aza manana olon-tiana fa izaho ihany,
Aza manana endrika voarakitra ho anao,
Na avy amin'ny topimaso na ny vetsom-po mankany,
Na ny embona asampotiny ao anaty miafina ao.

Aza mitsiriritra, aza mijangajanga, aza manadino...
Dray ! Tsia : Aza mivoaboaka, aza mijerijery,
Aza saro-piaro, aza... ny eritreritra fihino,
Tsy hahalala, tsy handre afa-tsy ny feoko irery.

Tovinao ny sitrapoko sy ny adidy momba ahy,
Ireo rehetra ireo tsy maintsy tanterahanao daholo,
Ny hasambaranao kosa aza ananana ahiahy,
Fa efa vita manda mafy, efa vita hidy folo.

Saotra ! Teliko ry lala ! Indro kely anafarana :
Raha maty aho tompoko aza avoaka varavarana.
Zavatrao ny tenabeko ! Ary fara
Faniriako : halevina eo am-parafara.

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha