You are here: home > Vetso

Varavarana fidirana - Randja Zanamihoatra


Ô mpamaky,

Saina izao ny tany
Ny tany anefa hira
Maneho ny hadalany
Nataony mba ho sira

Fa tany zao ny Saina
Ny Saina anefa hery
Manosika ny miaina
Hanody izato fery

Fotoana iray, tanteraka
Dimbiasam-baovao
Ary Indro indray ateraka
Izao tontolo izao

Hametraka hevitra

Midira aloha