Ny mitia (Randja Zanamihoatra)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mandrera-tsaina ny mitia,
Manadala, mampahia,
Tsy ahavitana izay atao
Fa manjombon-dava izao;
Mahalasana ambiroa,
Mampirediredy koa,
Mampihataka amin’ny maro,
Mahalasa saropiaro.
Izany masonao mahery,
Mihamalefaka fijery,
Ny endrika aza mihamalazo,
Miova tsy ny voan’ny tazo !

Izany izy rehefa taitra :
Ny embonembona, tsy laitra !
Tonga izao karazan-tsiahy
Mampahory ny fanahy !
Dia eo ianao misentosento
Sy mandefa vetsovetso
Ka mitsentsitra mangina
Izato faikam-pahoriana !
Hay ity izy manirery
Dia manaikitra ny fery !
Hanin-tiana no mitrongy
Ka, endrey, mandongilongy !

Tsy latsaina, ho’aho, satria
Maharary ny mitia,
Nefa aiza no hizahavana
Fanafan’ny fitiavana ?
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fitiavana
88 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158