You are here: home > Vetso

Mahatsiaro va ianao ? - Randja Zanamihoatra

[Nihevitra ny andro fahiny aho.
Sal. 77.5]


Eny, paohin’ny fotoana ny andro mamy sy baliaka ;
Ny alim-pito sy mangina, ary koa ny tenantsika
Nefa tsy ho tapitra eto ny maraina vaovao !
Eo am-pitsinjovana azy, " mahatsiaro va ianao" ?

Iry ny toerana fahiny !... eny, ilay niriariavana !
Ao ny fara vetso, angamba, no hierina fitiavana !
Iroa ny làlana fombana novakin’ilay nandao…
Ary raha miherika eny, « mahatsiaro va ianao ?

Oh ! Salamo anefa sisa ibitsihako ny fo
Fa tsy very ny amintsika na ho levona tokoa !
Voatahiriko ato izany, ao anaty miafina ao,
Ary raha fohaziko eto, "mahatsiaro ve ianao" ?

Sokajy : Alahelo, Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha