You are here: home > Vetso

Fifandraisana - Randja Zanamihoatra


Ny hira tsara indrindra vitako hatrizao
Dia 'lay tsy misy teny, tsy misy feo henoina
Kanefa ren'ny fo sy ny eritreritrao.

Ny tsara kanto indrindra niezahako nitady
Hatrany anaty rovan'ny misy tsy manoina
Dia ilay tsy mbola tratra fa anananao sahady.

Ny marina tokoa nirina mba hambomba
Ny fahatakarantsika misaina sy mitsara
Anefa mbola an-kibon'ny virjiny momba

Ny hira ambony indrindra vitako hatrizao.
Sy ny hatsaran-tarehy niezahako nizara
Dia tsy ahy velively fa fanomezanao.


14 novambra 1965

Hametraka hevitra

Midira aloha