AIZA - raozy
AIZA
Mandeha tsiroaroa,
ny mpifankatia
manavatsava orana
Ny masoko ankiroa
mahita izany akia
mila hananga-torana
Mifanorokoroka
etsy sy eroa
ny mpifankatia
Ny ahy anefa izay oroka
lavitra tokoa
raha teto mantsy indry
Misakambikambina
mamihina ny tiany
ireo tovolahy be sangy
Izaho kosa miambina
ilay findaiko iny
sady manidy vangy
Miandry ny antsonao
miandry hiantso anao
ora firy izao !!!
Ny findainao
tsy azo hatramin'izao
fa aiza hoa ... ianao ????
Sokajy :
Aingam-panahy
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
arajech (18/02/2007 16:38:37)
Misaotra Ry Raozy fa tena enjana ianao !
raozigasy (18/02/2007 17:00:08)
tsy misy fisaorana ry Arajech fa ianao no ankasitrahana mankasitraka a