Ampidiro aloha ny tenimiafina
01 Novambra 2019 (raozigasy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
01 Novambra 2019Ny daty 01 novambra moa tsy diarin'olombelona
Fotoana hifamonjen'ny maty sy ny velona
Hifamelomana tantara, hifameloman-tsiahy
Angamba mety izany no nampanoratra ahy
….
Tsy afaka aho ry dada, hamangy anao am-pasana
K'anio aho aza andrasana
Izany tsy midika hoe adinoko ny lasana
Ka ny fahiny ndeha hovoasana
Fa mbola ao an-tsaiko sy ao am-poko ianao
Eny hatramin'izao
Tsy miato aho mahatsiaro, tsy hoe fomba amam-panao
Fa tena mbola ao
Mahazatra ny olona ny mametra-boninkazo ambony tranovato
Fa ny ahy ange ry Dada, tena mbola ianao no voninkazoko ato
Mbola ao ianao, manemitra ny foko, ireo taona lasantsika
Ireo fiaraha-mamy, ilay taiza izay napetraka, tsy misy iray tomika
© Raozigasy 01/11/19
--------
Lien:
Catégorie :
Tsingerin-taona - Fahatsiarovana
