Natahotra (raozigasy)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Natahotra aho, matahotra

Vao hitako ianao, dia natahotra aho hitafa
Asa tsy haiko mihitsy, izaho lasa hafahafa
Te hitsoaka,te hanatona, te hirifatra hilefa
Sady manontany tena hoe : maninona anefa

Vao nihaona isika, dia natahotra aho ny hiresaka
Ny lohako toa nihaboda, ny foko moa mila hitresaka
Ny saiko valalanina, ny tenako badenina
Te handroso mafy, nefa tsy te hanenina

Vao nifankahazo isika, natahotra aho ny hanoroka
Toa maiva-mavesatra, ilay vaika teo an-tsoroka
Ny bitaka tsy zaka, ny endina toa maika
Nifangaro voraka, ny sao sy ny saika

Vao isika nifanoroka, natahotra aho ny hanohy
Nanontany tena : hatraiza ny fivoy
Nitady tsy maharaka, ny hazaky ny saina
Satria teren’ny fo hoe : mamy ange ny miaina

Ankehitriny isika, efa mifankatia, mbola matahotra aho
Na dia efa lasana daholo, ireo zava-nifamaho
Matahotra aho indray, sao ianao milefa,
Rehefa vita izay, ny zavatra efa « efa »

Matahotra aho matahotra

29/07/2019
--------
Rohy:
1466 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : Raozigasy
Daty : 20/10/2019 10:41
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031