Orohy aho akia malala a - raozigasy
Orohy aho akia malala a
Fa tiako hiainana indray,
ilay vaivain’angano
Moa va tsy vato mahamay,
iteteavan’ivin-drano
Orohy aho akia malala a
Fa tiako hiverenana hinomana,
Ilay tsironao mamonto ahy
Moa va tsy efa mampiomana
Hoe ny fehy sy fefy aleo hivaha
Orohy aho akia malala a !
Fa tiako ange ilay hararetra
Sy ilay lohaliko mangorana
Moa va tsy lemin-kerisetra
Mandemy aho an-tsarin-torana
Orohy aho akia malala a !
Fa izay dia ampy ahy
Hanadinoako ny tontolo
Amin’izay aho sahisahy
Ka mety ho lasanao daholo
Orohy aho akia malala a !
© Raozigasy 10/12/19
Sokajy :
Eritreritra mandalo, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : raozigasy
Daty : 04/01/2020
Mpamangy : 1632
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Tratry ny taona 2020 HoGaigy be
01 Novambra 2019
Ry zalahy sy ny sasany
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy
Inona ary izany ?