Ry zalahy sy ny sasany - raozigasy
Ry zalahy sy ny sasany
Ry zalahy raha vao mahazo seza ambonimbony
Dia hoe inona ny baoritra ananan’itony
Nefa avy eo dia maika, mamangy tsy miera
Efa tafa ialahy izao, fa « ahoana ny sera »
Ry zalahy raha avy an-dafy takiana voan-dalana
Na hoe mametraha kely hanamboarana ny lalana
Indraindray aza ny akanjo, an-koditra tafiana
Mbola terena hoe « aty itony ariana »
Ny sasany koa moa amin’izay etsy andaniny
Manararaotra mafy izay hitany hohaniny
Ny tenany aloha, izay ny hafa vao jerena
Izaho mbola mahia, tsy maintsy mihinan-kena
Ny sasany milaza izay tiany holazaina
Ny ambony enjehina, ny ambany moa latsaina
Hoe ny omby raha mahia tsy milelaka ny namany
Ny manana koa hono, ny ory tsy mba namany
Ry zalahy sy ny sasany ange dia izany foana
Ny voky tsy maintsy hoe sarangotin’ireo noana
Raha tena noana moa, mety hoe tsy maninona
Fa ireo kamo be tenda no maro an’isa tsinona
Dia maninona anefa raha miavotra ho tafa
Fa tsy mijapijapy ny fiainan’ny hafa
Izay ry zalahy fa mazava be ny teny a !
Zarao amin’ny sasany amin’izay koa reny
© Raozigasy 08/10/2019
Mombamomba
Mpanoratra : raozigasy

Nampiditra : Raozigasy
Daty : 20/10/2019
Mpamangy : 812
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Orohy aho akia malala aTratry ny taona 2020 Ho
Gaigy be
01 Novambra 2019
Natahotra
Peratra
Un jour mon fils tu vas m
Fan Zone
Ialahy
Inona ary izany ?