Antsonao (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minitra vitsy monja, mitondra fahasambarana,
Minitra vitsy monja, irina tsy hifarana

Minitra vitsy monja, isaky ny antoandroko
Minitra vitsy monja, mila tsy ho andriko

Minitra vitsy monja, minitra fifaliako
Minitra vitsy monja, raha tsy azoko takiako,

Minitra vitsy monja, minitra tambitamby,
Minitra vitsy monja, tsy mety manana amby

Minitra vitsy monja, minitra saro-bidy
Minitra vitsy monja,famoizako adidy

Minitra vitsy monja, fotoana toa angalarina
Minitra vitsy monja, toa satriko hitarina

Minitra vitsy monja, tsy misy toy izany
Minitra vitsy monja, ahy irery ihany

Minitra vitsy monja, tsy mety mankaleo
Minitra vitsy monja, tsy andry na vao eo

Minitra vitsy monja, minitran’ny fitia
Minitra vitsy monja, mila tsy andry ery

Minitra vitsy monja, minitra vitsy ihany
Minitra vitsy monja, fa tokana eto an-tany

Minitra vitsy monja, manaitra ny fitiavako
Minitra vitsy monja, misaotra anao rahavako

PARIS 07/06/04
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1472 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0373