You are here: home > Vetso

Ato anatiko ato - raozigasy

Azo vakiana?

Ato anatiko ato
Misy tsy an-kiato
Filàna mivaivay
Hoe aminao miray

Ato anatiko ato
Misy fo tsy vato
Mampiaka-mari-pana
Tsy tanty sy tsy tana

Ato anatiko ato
Misy vovo, harato
Te hamatotra anao
Aminao te hanao

Ato anatiko ato
Efa zato isan-jato
Ny bitaka sy heta
Misaina vetaveta

Ato anatiko ato
Miandry ilay ato ho ato
Ny vatako rehetra
Sy ny sisa etsetra ...

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

tiarah (03/08/2010 06:29:04)

Dia rehefa ho avy ilay fotoana
Ahitako anao eto anoloana
Ny foko , ny saiko , ny vatako rehetra
Omeko anao fa efa anao ka hanjakao tsy misy fetra.

Hametraka hevitra

Midira aloha