FATOMATIN NY FITIA - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 31/07/2010
Mpamangy : 411
Isa : 0
Fidio :







Ilay fiefonefon’ny fonao, rehefa injay manoroka ahy,
Ilay herisetran’ny fitia, tsy misala na miahy,
Ilay hasahiana menamenatra, toetra itiavako anao,
No maika koa mampamololona, ilay fitia nomeko anao

Ilay kaikikaikitra fanao, ireo tsentsitsentsitra tianao
Ilay safokely arahin-drangotra, fifanairako sy ianao
Ilay masonao izay maka fy, ireo feonao mampiaka-tsefo,
No vao maika mampireda, ilay joalam-batana marefo

Ilay safonao manara-batana, ilay vavanao izay sahisahy
Ilay hafananao toy ny fatana, mampandevy lehilahy
Ilay feon-taraina feno hataka, mampangotraka ny anaty
No vao maika mampandoatra, ireo hetaheta izay tsy tanty

Ilay isika mifaningotra, mifamatotra miolana,
Ilay isika ambony ambany, tsy mifidy voambolana
Ilay isika mifandona, mifanakanaka-tosika
No mahatonga ilay fitia ataontsika be am-bosika

Ilay isika mandon-dinitra, sy mihazakaza-pihavy
Ilay isika tsembo-dava, kotsa toa olona manavy
Ilay isika mifamihina, eo am-pandrovitan-tsihy
No manamafy koa ilay  rohy, ho fato-matin’ny fitia,

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha