FIARITIANA (raozigasy)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiononana o ! Fiaritiana,
Izaho aza ange mba variana,
Hoe tsy namako ianao
Nefa ange jereo injao,

Misononoka izato peniko,
Manoratsoratra ny teniko

..................................

Ka androany aho hiarahaba
Satriko hoe arahin-kotaba
Fety sy hiaka lavareny
Nefa ho sarotra ireny

Ka izao soratro izao
No entiko hiarahabana anao
Noho ilay tsingerin-taona
Dia ilay roapolo taona

Tsy ho lava resaka aho Fifi,
F’izao no teniko an-dry
Araraoty ny miaina
Nefa dia ento amin’ny saina

Mifalia re fa tanora
Kanefa tandremo sao voakora
Kajio ny lalana aleha
Ny traik’efa no ataovy be dia be

Taona sy andronao izao
Isantaran-piainam-bao
Dia mahaleova mahalasanà
Fidio ny lalan-tsy malama

..................................

dia nisononoka teo ny peniko
nanoratsoratra ny teniko

dia mametraka veloma ho anao
hoy ilay efa namanao
dia mitojoa izay iriana
ianao ry Fiaritiana
--------
Rohy:
Sokajy : Tsingerin-taona
1765 0
Hevitra mandeha
ANARIM ( 10/10/2006 12:03)
bonaniversera fiffi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 24/06/2006 22:29
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0329