Gasikara ve mivika ???? (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy biby aho akory sanatria , hahita volana mialoha
Fa mazava be ny karatr’hazakazak’iavoloha
Fa tantara mampihomehy, Mbola teboka amam-paingo
Tsy misy vody ts’isy loha, mbola betsaka baraingo

Ny zavatra voalaza hafa, ny nitranga raha tsy mira
Ny fahavononan-teknika, efa natao hirahira
Nibelazao hoe efa milamina, ny rehetra sy ny sisa
Nefa ny isan-karatra aza, tsy misy akory mifanisa

Ny voka-bato avy any ambany, tsy nampiasana koptera
Efa tongasoa sahady, efa nifandomam-bera
Nefa ny ao an-drenivohitra, misy mbola tsy hita akory
Nefa ny alin’iny ihany dia niaretan-tory

Toa efa hitako ity film, fomba fiady efa nandeha
Nandeha nifidy tao daholo, ireo maty s’ireo razam-be
Ny velona tsy manan-karatra, verezin-jo an-teknika
Hala-bato tsy niniana, mandaitra foana hoa ilay fika

Dia avy eo izao hifanilihina, ny hadisoana sy ny andraikitra
Nefa hevi-petsy ihany, hahafahana miraikitra
Dia mody asian-tsahotaka, avadika ho romoromo
Dia aparitaka ny tsaho, aely koa ny honohono

Ny tohiny mazava ho azy, fa na iza lany eo
Tsy misy hanaiky izany indray, fa dia samy hampiaka-peo
Dia hiverina zero, ny kaonteram-politika
Dia hoy izao tontolo izao : fa Gasikara ve mivika ?

Raozigasy

Raha toa ka tianao, dia aza mihafa fa zarao, ity tononkalo ity , dia Raozigasy no sonia
Dia etsy kely ange, raha toa ka te handre, Sombiny amim-peo, ireto henoy sy jereo :

www.radiobitsika.com (talata alina sy asabotsy alina amin’ny 09.00 ora Paris)
www.radiovazogasy.com (alahady alina amin’ny 09.00 ora Paris)
--------
Rohy:
1999 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0257