Hinia (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hinia tsy ho kivy aho
Na dia mavesatra
Sy feno sakasakana
Ny fiainana lalovana

Hinia tsy ho kivy aho
Na dia efa reraka
Sy tena valabalaka
Ana sy torovana

Hinia tsy ho kivy aho
Fa hanantena ihany
Hinia tsy ho kivy aho
Fa hanantena hatrany


PARIS 09/06/2004
--------
Rohy:
Sokajy : manokana - ahy
2227 3
Hevitra mandeha
hery ( 27/07/2009 07:55)
Rehefa ikirizana vita ihany :-)
mangamaso ( 27/07/2009 17:38)
Izay kivy ka tsy mandroso intsony dia efa vonona ho faty...
Mankasitra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0815