Ialahy tsy Malagasy intsony (raozigasy)

Nantsain'i raozigasy
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IALAKO TSINY KELY ALOHA, HO AN IZAY MAHATSIARO VOA
FA NY AHY NATAO HAMPISAINA, INDRAINDRAY KOA IZANY MBA ILAINA

Ialahy tsy Malagasy intsony

Izaho ilay mihinan-kodi-kena, sy voatavo andro alahady
Izaho ilay mpisotro « diromel » dia avy eo mamono vady
Izaho ilay mitrongy anio, vao mandrapaka ny omaly
Izaho ilay boto irakirak'ialahy rehefa mifaly

Izaho no tena Malagasy

Izaho ilay mitera-bitro, mivovo anaty trano daba
Izaho ilay mitatitr'entana, miloloha gony sy garaba
Izaho ilay tsy mahay manoratra, taranaky ny voambaka,
Izaho ilay monina any ambany, ilay be mpisam manjaka

Izaho no tena Malagasy

Izahay ilay be fianakams, tena bobaka an'isa
Izahay ilay mahantra, efa maro an-tapitrisa
Izahay ilay voavidy, rehefa misy fifidianana
Izahay raha miasa tsara, lasa mba mivarotra anana

Izahay no tena Malagasy

fa ialahy be resaka io, milaza tia ny firenena
ialahy milaza ho avara-pi, ilay any an-dafy no miantsena
ialahy mikata am-palitao, sy mikenda rehefa miasa
ilay manompa an-tenin-gozo, rehefa manitsaka mpiasa

Ialahy tsy Malagasy intsony

f'ialahy mitsoaka any an-dafy, rehefa vizana ny eto
ialahy misotro « whisky » raha sendra ady mampisento
ialahy miketrika « devise », rehefa potika ny bizina
ialahy anaty 4x4, no migobs raha dizina

Ialahy tsy Malagasy intsony

Tsy Malagasy intsony ialahy, fa sisan-tsafiotran'ny vazaha
Tsy Malagasy intsony ialahy, ilay mipitsika, mipà
Tsy Malagasy intsony ialahy, tsy miray lentika amin'ny sambo
Tsy Malagasy intsony ialahy rehefa mitsatsaka ny atambo

Raha tena Malagasy ialahy, izahay aloha jerena
Raha tena Malagasy ialahy, ilaozy ilay fitiavan-tena
Raha tena Malagasy ialahy, izahay leitsy mba vonjeo
Raha tena Malagasy ialahy, izahay madinika jereo
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
2060 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : raozigasy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 01/04/2014 23:47
Antsantononkalo
Nantsain'i raozigasy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0302