You are here: home > Vetso

Ianao no tontoloko - raozigasy

Azo vakiana?

Vao miandoha ny marainako
Vao ilay taitra ny fisainako
Dia efa feno anao ny fiainako

Mandritra ny tontolo androko
Ianao mihitsy ilay masoandroko
Ka ny hahitana anao tsy andriko

Rehefa alina indray
Ianao ilay nofy mamy iray
Iondankondanan’ny fanahy

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

tiarah (02/07/2010 12:51:30)

Aingam panahy miboiboika avy ao ampo ka hatosaka eo imolotra.

Hametraka hevitra

Midira aloha