ILAY NOFIKO ALINA - raozy
Ilay nofiko alina !
tantaraiko anao
asa re fa lalina
k'aza hihomehezanao
fa nanonofy aho
nofy adaladala
hoe izaho sy ianao
mifampiantso hoe malala
mifampizara fiainana
alina sy antoandro
miaraka mifoha
dia miara-mandro
mifampizara tafo
andraikitra, adidy
ny zavatra atao,
iaraha-mitadidy
mifampizara nofy,
vetso, vinavina
iaraha-manao
ireo rehetra faniriana
mifampizara jaly,
alahelo hakiviana
miaraka mifaly
rehefa fifaliana
izay ilay nolazaiko
indray andro izay
hoe izaho salaka
ianao ilay iray
dia tapaka ilay nofiko
nitsiky aho sady taitra
raha izany no tanteraka
asa angamba ho raitra
dia nipitrapitra
ireo masoko ankiroa
hoe ahoana re izany
raha mba tsy nofy moa ????
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
tiarah (26/07/2010 07:59:40)
Mahafatifaty foana e! fa tiako kokoa ilay izy raha nofaranana hatreo amin ny andininy faha -7
mikous (26/07/2010 08:29:23)
Eny tokoa mantsy....
mba satriko raha izy no ho eo anilako eo!
Na dia minitra vitsy toa ilay nofy teo.......
Tena nofy tsara tokoa moa zany !
nannie (26/07/2010 11:26:00)
Ny ahy ny tena itiavako an'ity tononkalo ity dia izy romantique b nefa misy mahalatsaka eny antsefatsefany eny
Soarilala (29/07/2010 11:49:34)
Tena kanto loatra izany nofy izany mifampizara ny zavatra rehetra!