Inona ary (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inona ary,
No kabary ,
Raha handao ,
Handeha ianao ?

Ilay fotoana fohy
Nirina mba hitohy

Ilay fihaonam-betivety
Toa tapitra ny fety

Ilay tantantantanao
Tarangana izy izao

Ilay vezy etsy eroa
Tsy hisy hanindroa

Ilay antsoantsonao
Hangina sy handao

Ilay tosy sy Angola
Rava teo ny dola

Sisa hotsarovako
Tehiriziko arovako

Ilay feo namela hafatra
Mbola henoko manafatra

Ireo toera-nolalovana
Tsaroana dia tsarovana

Ireo fotoa-niarahana
Am-po mbola mibahana

Ireo sangy nozaraina
Tsy afaka ao an-tsaina

Ireo teny toa mibaiko
Efa tena haiko

Ireo zavatra vidiana
Ts’hita izay fidiana

Ireo sisa ,
Ho voatanisa ,
Mbola ho mamy ,
Am-potsika any


08/07/04
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1344 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0342