You are here: home > Vetso

Iza no namako ??? - raozigasy

Ilay mandoka foana fa tiany izay ataoko
Sa ilay miteny tsy misorona ny tsy mety izay fanaoko

Ilay eo mandavan-taona fa midila vao sakoroka
Sa ilay rehefa misy voina, mamihina, manoroka

Ilay tonga isan’andro mijery fomba fiaina
Sa ilay miantso mampahery, raha tojo ny taintaina

Ilay mamporisika ahy, hirevy sy hifety,
Sa ilay pasiterabe, miteny hoe izao no mety

Ilay manara-body lava, mifosa avy ao ivoho
Sa ilay tsy hita nefa tonga, vao misy ny manjo

Efa namako daholo ireo rehetra ireo
Ny tanisan-disitra aza, vao vitako anikeheo
Dia nataoko ny tontaly, sy ny salan’isa
Loooza f’ iretsy voalohany, no tena maro an’isa

© Raozigasy

Sokajy : Aingam-panahy, Namana

Hametraka hevitra

Midira aloha