Izany ka filoha (raozigasy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izany ka filoha Mahay manapatapaka , sy mandidididy
Ireo mpanao lalàna, sy mpampanoa ny didy
Izany ka filoha
Mahay midongy toerana, sy mihoatra fefy
manao bodongerona, sy jadon-tsy voarefy
Izany ka filoha
Mahay lohan’ampondra, mafy hoza-doha
mody miandry farany, amin’izay voaloha
Izany ka filoha
Mahay vavam-boloky, pentsona sy kinga
kanefa ny tanteraka, poak’aty sy mandringa
Izany ka filoha
Mahay lohan’alika, miverina amin’ny sisany
ka manara-penitra, amin’ny tanisany
Izany ka filoha
Mahay lohan’angidina, tia miriorio
tsy mahita lavitra, ankoatry ny anio
Izany ka filoha
Mahay lohan’ondry, manao totobory
ka misosososo, tsy hita hoe akory
Izany ka filoha
Manao lohan-dambo, tia mitrongitrongy
kanefa diso tetika dia avy eo midongy
Izany ka filoha
Manao lohan-tsaka, tia misolelaka
amin’ireo hafa, tsy ho ela dia hamelaka
Izany ka filoha
Manao loham-borondolo, miseho tsara fijery
Kanefa kely sisa, dia handeha irery
Izany ka filoha
Manao loham-boalavo, tia fakofakon’olona
Ka mizarazara ,sisantsisan-tolona
Izany ka filoha
Manao lohan-gidro, tia miakatrakatra
Nefa ny ambany maso, tsy misy iray mba rakatra
Izany ka filoha
Manao lohan’amboadia, mitafy zanak’ondry,
Misompatra ny kely, fa manana totohondry
Izany ka filoha
Manao loham-boay, hanao ampihi-mamba
Toy ilay iraika lahy taloha, efa jambajamba
Izany ka filoha
Manao loham-bibilava, mandady sy misoko
Na dia efa hita izao, fa tsy tian’ny antoko
Izany ka filoha
Manao lohan’akoho, mihira anaty fako
Efa difo-doto, mbola misarako
Izany ka filoha
Manao lohan-tsokina, tia manani-bato
Nefa ho tapi-dalana , rehefa ato ho ato
…
ka raha samy loham-biby, aleo aho ho filoha
mba ho voromailala, fa tsy menarana do
dia aleo izay kely haiko, hanaovako baroa
fa impiry tokoa moa izaho no ho filoha
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika - Aingam-panahy
Mpakafy:
rabehajson
Hevitra mandeha
mitantsotia
(
16/09/2013 17:17)
K'hita ho'a maninona tokoa raha mba ianao no filoha fa tsy leiry e, tena efa mankaleo!!