Lehibe ny zanako (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe ny zanako,
Ka tsy mety tantanako
Fa mikarenjy
Sy mivenjivenjy,
Tsy mety afa-po
Efa ho adiny roa

Dia mitodika kely
Ilay mason’anjely
Sady mikiaka
Amim-peo sariaka
Sy mitabataba
Toa miantso an’i dada

Izaho ato aoriana
Revo, sondriana
Manara-dia
Kevoka èry
Fa lehibe ny zanako
Efa tsy mety tantanako
--------
Rohy:
Sokajy : zanaka - Fianakaviana
1825 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0312