MARARY - raozy
MARARY
Marary izany aiko
mahita olon-droa
mitovy faniriana
Marary izany saiko
mahita azy roa
Tia sady Tiana
Marary ny fanahiko
mijery ireo tosy
sangy sy angola
Marary ny tsiahiko
ny foko toa voahosy
lalovan'ny mpidola
Marary ny fitiavako
ferena ny ao anatiko
fa lavitra ianao
Aiza ianao rahavako
ilay irery toa tsy tantiko
fa Tiako loatra ianao
Sokajy :
Aingam-panahy
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
tonnyy (14/11/2007 18:34:40)
tena mamparary tokoa ve ny mitia rey olona ? asa lahy ra ho sitrana ny manana azy !!!