Midongy (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midongy ny foko ka mihidy ao an-trano
Tsy mety milaza izay faniriany
Matahotra hono sao mahita angano
Raha toa ka mitory Fitia amin’ny tiany

Midongy ny saiko tsy mety miasa
Fa lasa nofy sy eritreritra lalina
Ka be karajia amin’ny zava-kinasa
Te hihaona aminao na andro na alina

Ny dongin’ny foko sy dongin’ny saiko
Fihetsika sy jery ivelany ihany
Fa ny tena izy marary ny aiko
Tsy sahy miteny hoe Tia avy hatrany


Paris 23/062004
--------
Rohy:
Sokajy : FITIAVANA
1203 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303