You are here: home > Vetso

Mihaja - raozy



Kepokepoka tanteraka, ilay maso be tsikera
Fa tojo ny hakantoana lafatra, andrarezin-tsy hay azera
Ilay harika fanaony, nohalefahiny fijery
Nanaiky izy nony farany, ka nangina sy tsy niery

Ankonankona tery, ilay fihetsika mpanebaka
Raha adika ilay nataony, toy ny olona mibebaka
Fa ilay vavany mpaneso, mahita tsiny lava izao
Tsy nahateny firy intsony, nahita izato kantonao

Mainamaina kendakenda, ilay mpitafy mpampitovy
Ity indray mitoraka ity, tsy sahalainy amin-jovy …
Fatratra loatra, izato sehatra, fa misongadina an-kaja
Farany izy tsy nisala, niaiky fa ilay tafy : Mihaja

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha