You are here: home > Vetso

MITSIKIA IHANY - raozigasy

Azo vakiana?

MITSIKIA  IHANY

Raha manetoka ny fery
Ka ny masonao mijery
Mila ho dibo-dranomaso
Noho ny sompatry ny ankaso

Raha mikombona ny molony
Fa tsy to ny famololon
Ilay fitia izay nantenaina
Ka zary rotika ny aina

Dia miezaha ianao mitsiky
Ary afeno na mikiky
Izay ratram-ponao lalina
Tsy natorianao mandrak alina

F ilay tsikinao iray iny
No hamafa ireto tsiny
Ka hamadika ho hery
Ilay tsiky saika very

Sokajy : Aingam-panahy

Hevitra mandeha

raozigasy (27/08/2008 11:30:07)

Ho setrin ny tononkalon i ANARIM hoe TSIKY VE DIA AMPY ?

Hametraka hevitra

Midira aloha