Nankaiza (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay tsikitsiky sy hamiranana
Ilay hafaliana tsy hainao tanana
Ilay donginao mitady sitraka
Mitampify sa mifitsaka ?

Fa toa taratr’hakiviana
Efa maloka hafiriana
Fo sy saina mitalaho
No endrika nasehonao

Inty aho raha misy olana
Tsy sanatria misolantsolana
Fa tena vonona hizara
Izay mavesatra tsy tsara

Aza afenina, zarao
Izay alahelo tantarao
Izaho vonona hihaino
Izay alahelonao teneno

PARIS 31/05/2004
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1351 1
Mpakafy: raozigasy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0303