NOELINTSIKA ANIO (raozigasy)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity noelintsika anio
Mba tena Noely ve moa io ?

Sa noely voatokana
Ho an’ny sasany manokana ?
Sa noely vangavanga
Ka manavaka saranga ?

Sa noely toa lanonana
Ka mampisaraka vovonana ?
Sa noelinao kristianina
Fa tsy an’ny tsy mihinan-kanina ?

Sa noelin’izay misy atao
Fa tsy an’izao tontolo izao ?
Sa noelin-dravaka sy renty
Voafetra ho an’ny vaventy ?


Asa izay havalinao
Amin’izao noely izao

Fa amiko re ny noely
Tsy fanavaham-belively
Fa noely fiarahana
Na tsy manana io na manana

Fa noely fitiavana
Tsy misy ny hafa na ny havana
Fa noely fizarana
Vavaka sy hafanana

Fa noely fiombonana
K’amin’ny sarotra hifanohana
Fa noely hifamonjena
Hifanampy tsy terena


Izany no noely amiko
Ka lazaiko fa tsy tantiko

Ny mahita noely hafa
Na ny loko na ny tafa
Ny noely fanavahana
Na ny vola na fananana

Ny noely sadasada
Sady feno tabataba
Ny noely fisarahana
Tsy misy izay hoe fiarahana

Ny noely lavitra fitia
Sy mihatsara - velatsihy
Ny noely fisehoana
Sy feno fizahozahoana

23 Desambra 2005
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
1850 2
Mpakafy: diarie - scotlandyard
Hevitra mandeha
Fenohery ( 24/12/2005 07:15)
Tsara be le izy, misaotra an'i Raozy ary mampahery hoy ilay namanao ... maniry ho "Noelim-pifaliana ho an'ny olona rehetra ihany koa".
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335