Oroka mahery - raozy

Mpanoratra : raozy
Nampiditra : raozigasy
Daty : 31/07/2010
Mpamangy : 370
Isa : 0
Fidio :








Orokoro-mamy, nanaitra ny filàny
No natolotrao, niampy hoe andao
Orokoro-mamy, nanaitra ny hafanany
No nampitanao ny hafatra, manao hoe izao dia izao

Oroka fitia, tsy nisalasala
No nandoranao, ilay afom-batany,
Oroka fitia, tonga dia nijoala
No nandrehetanao, ilay redam-pirongatany

Oroka mahery, hendratrendra-pihavy
No fitaovanao, natao fampanekena
Oroka mahery, efa hitany fa avy
No vovo nentinao, mba hoe handresena

Oroka tsy mihafa, tsy misalasala
No seraseram-po, sy  natao takalo
Oroka tsy mihafa, nefa tsy adaladala
No herin’ilay fo, Tia ka nampivalo



Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha