SAFONONOKA FITIA - raozy
SAFONONOKA FITIA
Tsy ilay taramenan’ny masoandro, takariva mby hilentika
Na ilay somambisamby, zava zavon’ilay volana
Na ilay tsiky izay miloatra, aorian’ny fo lentika
No nanainga ahy hiventy , tononkalo sy voambolana
Tsy ilay lokon-danitr’iny, mangamanga tsara soratra
Na ilay siokam-boronkely , velon-kira dibo-kalo
Na izato rian-drano, mitetitety irony solatra
No nanaitra ny fanahiko ka hamadika azy ho tononkalo
Fa ny fahitako anao, matory mandry fehizay
Eo amparafarantsika, safononoka fitia,
Amin’ilay fotoana izay hahatsapako fa iray
Ny vatantsika sy fontsika, hifamatotra doria
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
Malalason (11/09/2006 12:34:38)
fiderana (12/09/2006 07:52:22)
Miarahaba ny namana mpanoratra
iza no mety, fehizay sa fahizay?
Mety ho tsaratsara kokoa io raha mba hatao hira Raozy
tinah2 (16/09/2006 10:22:31)
Tena toy ny tsy eto antany izany tokoa ry Raozy rehefa tena eo tojo @faratampony ny fitivana izany ,otrany tsy misy aminao ny zava-drehetra fa ianao irery ihany . Dia mirary antsika rehatra mba ho toy izany no hanjaka eo @ fitivan'ny tsirairay eo sehatrin'ny fiarahan'olon-droa ; merci !
raozigasy (27/09/2006 02:42:12)
misaotra aniFiderana tamin'ny fanitsiana dia midera anao koa izany e !