SOA - raozy
SOA
Soa ny orana milatsaka
k'hanafina hampiharo
ireo ranomaso latsaka
noho izato tsiaro
Soa ny andro maloka
hampitovy loko
ny endriko izay maloka
noho ny alahelom-poko
Soa ny andro maizina
ka sarotra avahana
ireo helo s'ireo aizina
anatiko mibahana
Soa fa mitabataba
ny any ivelany any
ka saron'ny kotaba
ny foko mitomany
Soa fa Tiako ianao
fa raha izany andro izany
no tsy nisy anao
Nilaozako ny tany
Sokajy :
Aingam-panahy
Tononkalo hafa
Fitia tandrimoHampitondraiko anao
Roa taona
Efa tofoka sy Lao
Izy tsy handao anao
Arahaba an-tselika
Aok izay
Omeo ahy
RY zanaka adala
Tompo o ! o aiza no alehako raha lavitra anao
Hevitra mandeha
Soarilala (09/05/2010 17:27:49)
Soa fa nisy olon-tianao ary olona tianao ka aza kivy